EKEKO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EKEKO!

Andriamanitra ô!
na dia maro aza ny fahotako
dia mbola sahiko ny mijoro
fa izaho manana Anao

na dia maro aza ny adalàko
dia tsy navelanao hikoro
ny finoana anatiko ao

indro aho manolo-tena
sanatria raha noterena
fa ny herinao no amiko
ny fitiavanao no mamiko

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
11-10-20
--------
Rohy:
964 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0189