FANIRIAKO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANIRIAKO

malala a!
raha fitiavana no tanisaina
dia tsy hitako izay holazaina
fa na zato an'arivon'ny pejy, aza
tsy ho antonona izay rediredy
fa ny tanjona tiana hiaviana
dia ny resaka fanambadiana
ary ny zavatra mba tena iriana
sy hany mba tokana tiana
dia isika ho tafara-dalana
ao anatin'ny fahasambarana

malala a!
tsy haiko ianao raha mitovy amiko
fa ny aminao manontolo dia mamiko
ary aza raisina amin'ny mahapoeta
fa mba te hiavaka amin'ny olon-drehetra
izaho mba maniry ny hitoetra
eo anilanao ary aina no fetra
ry tiako a,
tiako hasongadina koa
ilay afo mandoro ny fo
ilay endrikao mahafatifaty
mampidoboka fo ka tsy tanty
mamiko loatra ry tiako
raha ianao no fanambadiako
tiako ary tena iriako
raha mandrakizay ho eo anilan'ny tiako

Raims Randriamalala
(RR Poeta)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
457 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107