MBOLA MANINA! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA MANINA!

Fa toy ny vao omaly
ianao no teo an-tanako
fa toy ny vao omaly
ianao no teo an-tratrako

Sisa,
ny fara-vodilanitra
tomara-bolamenan'
ny masoandro tankariva
no sakaizan'ity maso

ny vina sy ny visa
ny sento sy toloko
ny saiko mitanisa
ny alahelon'ity foko

Fa,
mahamanina ahy
ity moron-drano tankariva
nampitambatra ny fo
izay nampiray antsika

ankehitriny,
velombelon-tsento
manina olon-tiana
mikalo sy mivetso
tsy manampitoniana

indrisy,
ny foko ankehitriny
toa manina mahatsiaro
manembona ilay tiana
ka malomalok'ila

saingy,
efa sambatra any ho any
ilay silako fahiny
efa nanadino hatrany
ka tsy omeko tsiny!
fa samy manana ny tiany

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
27-09-2019 Tanjombato
--------
Rohy:
796 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0188