IANAO NO TSANGAM-BATOKO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO NO TSANGAM-BATOKOtsela-jery kely monja
natorakao ny masoko,
no zary nampan'onja
ilay fitia anatiko ato
ny filantonao mamindra
malefadefaka fitsaika
toy ny kalo tsara rindra
migadogadona fipaika
ilay feonao malefaka
mingonona eo an-tsofiko
toy ireny kotro-baratra
mampidoboka ny foko
ny mombamombanao rehetra
no mba hantahanta an'ity foko
ny mombamombanao rehetra
no tsangam-bato iray tsy foiko
Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
16-10-20
--------
Rohy:
Mpakafy:
raims randriamalala
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 16/10/2020 15:06