MANEFA SAZY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANEFA SAZY

Roam-polo taona ny sazy hefaiko
fito ambin'ny folo no vitako tato
kanefa tsy foana ny fanantenako
fa ho avy ny ora sy daty hialako

lasa ny saiko ho tonga hatraiza
raha mivoaka ato moa aho zany dia ho aiza
ny vadiko izay any efa manan-tsakaiza
ary raha ny zanako? Izaho angaha nitaiza

miangavy ny filohan'ny fanavaozana
mba hiantrao re ity dada mitsitaozantaozana
tena mivavaka mafy tsy miato
mba tsy ho vata-paty no haka ahy ato.

dodona loatra ary maika aok'izany
mba te hiaina ambonin'ny tany
mba hendry ihany aho raha mihoatra ny ankizy
nahoana aho no tsy mba nahazo remise!

Nosoratan'ilay zokiolona voafonja tao moramanga
nalaina tamin'ny sary sy feo avy amin'ny namana iray
mahaontsa tokoa ilay izy! fa izay ilay fiainana
TSARA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Aingam-panahy
17 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0136