METEZA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Meteza ianao hindramikory vorona mpisioka
mpampitsiky ny maraina,
ka ny hiranao no mamiko
handreseko ny tafiotran'
ny sento sy taraina
Meteza ianao hafarako
ry masoandro himpody
hamonjy ny hariva,
indro misy sora-tanako
ho ento mba ho tody
ho tonga kalon'ny antsiva
Meteza ianao ho namako
ry kintana amam-bolana
sakaizan'ilay alina,
meteza hanazava ity lalako
mangina, mizotra, migodana
anatin' ny aizim-pito lalina
Meteza ianao hikalo
ny hiram-panafahana
ry mpikalo anaty rima,
ary aza avela handalo
ireny soratsora-tanana
izay nimatesanao mangina!
nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (MahavonjyAimé)
05/06/2018
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Mpakafy:
raims randriamalala
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 05/06/2018 17:00