NY AKANY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY AKANY!fa mba nankaiza ny olon-tety
no rindrina sisa tinazana
ny vovonana indreo mikodia
ny efitra toa ngazangazana
ny rindrina no sisa mijoro
fandrotsarana no haingo tanàna
ireo tafo nianjera nikoro
toa nilaozan'ireo tsy tamàna
dia lasa aiza ny olona teto
no avana sisa mitsangana?
akany toa mpamelon-tsento
sa ny havana kosa no lasana?
diapen'i Raims RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
Tanjmbato 06-11-2019, 20:50
--------
Rohy:
Mpakafy:
raims randriamalala
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 28/11/2019 15:02