O RY FIRENEKO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O RY FIRENEKO!

hampianaro aho hitana ireo basy
hiarovako ity fireneko
fandrao, raha hisy ady atsy ho atsy
ny fahareseny no tsy mba ekeko

ny vahiny misoko mangina
miditra tsy ankieraera
isika eto samy variana
variana amin'ity ady seza

ny volamena efa mila ho fongana
ny andramena ity tapitra haondrana
ny toe-karena injao mitotongana
ny vahoaka indreo montsamontsana

ny fanjakana toa milaza ho tompony
ny mpanohitra variana manenjika
ny vahoaka efa miandry fotsiny
ity firenena izay mila ho rendrika

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
23-02-2022
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
486 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0193