SATRINAY IANAO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRINAY IANAO!satrinay poeta,
ianao mianoka hatrany
ny kalo tsara rindra
satrinay poeta
hizara hatrany hatrany
ny kanto tsara indrindra
ny tanjonay poeta
dia ny hitondra anao
hitety ny habakabany
ary sitrakay poeta
ny ho eo anilanao
hampiaina ny tantarany
maminay poeta,
ianao ilay mankamamy
ny antsa tononkalo
satrinay poeta
ny hiantsehatra hatrany
hizara kalokalo
Raim's Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
22-04-2022
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 22/04/2022 09:39