ANDRO FARANY (Ravanondrazana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRO FARANY



Indrisy, sombiniaina...

Hitako eto mihitsy ilay, ianao sahiran-tsaina
Raha mahare ny hafatry ny antso antarobia:
Miangavy mafy anao, mba hody maika aty...
An-tranonao taloha, fony niara-niombom-po.

"Andeha dia ho hita eo fa atao ahoana moa"
Hoy ianao mitebiteby, tsy sahy ny mitaraina.
Fa tsy ela: vetivety, dia indro ianao fa tonga
Minitra vitsy monja, raha be hatsasak'adiny.

Tsikaritrao voalohany: izay mba varavarana
Dia mangodanadana, toa misokatra daholo.
Fa mahangolingoly sy mampitsangam-bolo
No tsikaritrao faharoa vao teo antokontany.

Ianao mahita olona... somary malok'endrika
Sy maikamaika izany, manoloana ity herika,
Manify dia manify mitsoka avy antsinanana
F'ianao ilay misafidy, ny miditra avy hatrany.

Mila ho afak'aina vao mandingana tokonana:
Misy ilay fandriako, natao ho tsara homana.
Ianao koa mangatsiaka eo ampototry ny jiro,
Satria tsy mety mino, ny làlana misampana;

Mangovitra ara-batana sy efa mila ho torana
Tomany sy torovana, fa malahelo ahy loatra,
Rehefa injay ny andro, hodiako any ankoatra.
Mipaika ny ora iray, na ora roa raha betsaka.

Manomboka efa tonga ireo olona mipetraka
Eo amin'ny fokontany sy mponi-manodidina:
Sakaiza fahazaza sy ny mpiray vodi-rindrina
Mivetso antokontany ilay toetrako "kizintina"

Ny ratsy sy ny tsarako, ny vita hatramin'izay.
Ny hafatro io tsarovy fa tsy ho mandrakizay
Tsy akory no handriako fa mbola maka aina
Sy manatanja-tsaina, ka hiandry ny maraina,
Am-pasana mangina izay feno faharatsiana.


RAVANONDRAZANA
30 SEPTAMBRE 2021
--------
Rohy:
525 0
Hevitra mandeha
ikalamako ( 04/10/2021 18:24)
kayyyyyyyy......
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 04/10/2021 02:56
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012