DISO SAFIDY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DISO SAFIDY

Rehefa tsy tiany, lazainy tsy anjarany...
Na dia misisika hatrany amin'ny farany.
Tsy mbola fotoana hoy izy ka aoka
Samy mba hiandry fitiavana hipoaka.
Fa io tonga foana n'oviana n'oviana
Na dia mifitsaka eny am-pandriana.
Mazàna ny bandy no mpamoha fitia,
Hinoana sy ekena fa teo ny fitiavana.
Anjaran'ny sipa no "hanaiky" na "tsia"
Mifidy ny tiany tazomina ho namana.
Maro tokoa no voa mafy noho izany
Misy ny sasany: latsa-tomany!
Misy ihany koa no misotro, mifoka;
Mamono eritreritra anatin'ny loka.
Mahita an'izany indray ny vehivavy:
"Soa ihany ny tena nanilika an'azy".
Kanefa nahoana ny olona sasany?
Na dia maditra fa hendry no lasany.
Misy mitady an'ny mahery setra,
Ireo botoboto sy miavaka toetra.
Hiaretana foana ny tiana ho anjara,
Lahatry ny avo ka mety mahatsara.
Dia manaiky mora ny zava-midona,
Raisina ho sedra dia mora mifona...
Ny fiainana anefa no lasa mangidy
Raha vao voalohany no diso safidy.


RAVANONDRAZANA
03 AVRILY 2021
--------
Rohy:
560 1
Mpakafy: MAZ RAMANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 03/04/2021 14:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144