MENATRA AHO (Ravanondrazana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MENATRA AHOMenatra aho rahavana...
Mahatsapa tena resy fa najanonao ho namana.
Marary saina mihitsy noho ireo hafatra misesy,
Namitaka ny foko tamin'ny fihetsikao: mihanta!
Ekena, fahadisoako ilay nivadi-pitokisana...
Fa efa te handingana ny atao hoe: finamanana.
Dia mba nanita-kevitra amin'ny tetika sy ketrika
Ny fo ombam-pitiavako tinaitranao matetika.
Kanefa niova tsinana ilay volam-penomanana;
Nampisy fisampanana izay mampisara-dàlana.
Menatra aho ry lala, te handositra masoandro!
Angamba lasa adala fa nanaiky andany andro.
Nolavina aho kanefa noheverin'ny rehetra fa miaraka isika.
Marary anie izany ka ny hampionon-tena sisa,
No kajiko amin'izao!
Tsy fotsiny ny foko fa ny fiaina-manontoloko...
No ataonao kilalao eo imasom-piarahamonina.
Izay tantarantsika?
Tsy hiantsoko varatra hamafa sy handraraka!
Fa raisiko ho anatra sy angalako lesona tsy anki-monomonona.
Menatra aho rahavana...
Maty pasipaoro raha handeha hifampitantana,
Miaraka aminao, -ilay namela ahy ho namana-.
Ny kintana io isaina, na dia fotsiny hiray làlana!
Tsy hisy intsony izany raha mbola tsy maraina,
Ny androko eto an-tany ka samy ho velon'aina.
Ny ampitso no hinoako, mbola hibaliaka ihany
Ny ao antampon-dohako, hiankinan'ny tantarako.
Hantenaina ananon'any no misy ilay anjarako...
Tsy hay mazava loatra, dia tsy fantatro fisiana.
Fa hisambarako ihany na efa any ankoatra no ahitako ny olon-tiana.
RAVANONDRAZANA
7 SEPTAMBRA 2021
--------
Rohy: