Amin'ity ririnina ity (Tahirintsoa)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amin'ity ririnina ity...Ity kininina ity
ve dia hahavita hanafana
an'ity ririnina ity ?
f'ilay nirian-kitia
nitsoaka tsy tamana
tamin'ity fandriana ity
Ny kindriandrian'ny mpanana
notsiriritin-dry
hoe tsy maintsy mbola hananana
ka miveren-ko namana
f'impiry izay ny aty
no nisalakalaka tanana ?...
sa volampenomanana
no ndeha hinian-ko fy
amin'ity ririnina ity ?!?
dia hiaina ny ananana ?!?
--------
Rohy:
Hevitra mandeha
fahamarinana
(
31/03/2010 20:21)
hihihihi !Mifona marina fa tena nihomehy irery ,tssss,zavatra hafa mihintsy no ao an-tsaiko fa efa ela loatra no tsy nahenoko ilay "amin'ity ririnina ity'