TAPAKA (Tahirintsoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAPAKA

Tapaka tsy manana
ny tapaka sy namana
fa tapaky ny volana ...

ny vola hamelomana
ireto zaza maro,
mameno tokantrano,
anefa mbola olana
tsy azo avilivily
amin'ny ala hamohamon'
ny toaka mahamamo...
rahoviana vao hifarana ny volana aprily e.

rafotsy nihomankomana
hitsoaka tokantrano
fa hoe tsy velon-komana
(sy sitrany hono hoe hihena'ny hovidiana)
no inty nanao angano
ho tsy tonga fadim-bolana
nandritra ny hadimiana...
rahoviana vao ho vizana ny taova fitokoany e.

ny etsetra etsetra etsetra
ah! tsy ho lazaiko intsony,
sao hampivolambolana
antsanga tsy aman'orana.
fa tapaka tsy manana
ny tapaka sy namana
fa tapaka ny volana.
--------
Rohy:
1785 2
Mpakafy: Ndaox - mitsoa
Hevitra mandeha
fahamarinana ( 31/03/2010 20:26)
Hafa mihintsy an,lafatra hatrany e! Ankafiziko be ilay fomba fanoratra ! :-)
mpisotrtoaka ( 17/06/2015 14:29)
Avoahay boky lty a ! kôz e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142