ANY AM-PASANA AHO MIANDRY ANAO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY AM-PASANA AHO MIANDRY ANAO

Izao mitatao vovonan'ny alina izao,
Ny vatako tontolo kontsan-dranomaso;
Ka veloma madinika fa vonon-kandao,
Aleo mba hialako ity tany be ankaso.

Nitia anao ny foko, naniry anao ny saiko,
Tsy fantatrao anefa ilay foko torotoro;
Niezaka ihany nanome izay haiko
Saingy niongo-pitia, ny fakany voadoro.

Leo izaho ankehitriny, reraky ny miaina,
Ka inoako sy antenaiko anefa fa tsy ho nenina;
Veloma ianao ry tiako fa izaho tsy malaina
ny handondona rangolahy ary koa tsy hiverina.

Ampy ho ahy ilay fitia nasolonao fankahalana,
Ka tsara amiko no lasa handeha hiala sasatra;
Ilay sarobidy nomeko efa natakalonao filana,
Tsy hiverin-dalana aho fa efa vonona hiakatra.

Tso-drano vitsivitsy no andeha homeko anao:
Mahaleova, mahalasana izay ao ambadiky ny tody;
Mahità akia izay lafatra arak'izay irianao,
Fa izaho tsy anjara fa efa masoandro mody.

Aza itomanianao ny vatako sao hivaraka,
Dia aza asiana voninkazo ny fasan-kilevenako;
Ary ianao sy ilay rafiko didiako mba hampiaraka,
Mba ho mari-boninahitra homenao ny tenako.

Aoka ianao tsy hahatsiaro ireo lasa rehetra,
Ilay diarintsika koa re aza mba tohizana;
Ataovy ny ankoatr'izany, aza asiana fepetra
Milibà sy miravoa mba halaza sy hikoizana.

Tsy mandrombo izaho fa manome alalana
Moa ireo rahateo no nandavanao ahy;
Tsy lahatra ange izao fa vintana nitsivalana
Ka dia nitsiky taminao ireo fakam-panahy.

Veloma ianao ry tiako, veloma ianao ry mamiko,
Ka mahazoa fafiny amin'izao fiainana izao;
Aza eritreretina akia raha ny amiko
Fa any am-pasana foana aho miandry anao.

NY HERIMAR
00:04'
07/06/2019
--------
Rohy:
788 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : herimar
Daty : 02/04/2020 23:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105