AVELON'NY FITIA (NY HERIMAR)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVELON'NY FITIAMisaotra malala namoy ilay fitia,
Misaotra anao namono ilay afom-pitiavana;
Raha ny faniriako dia hiara-ko doria
Kanefa akia izany nasetrinao fandavana.
Notsindrominao ilay nofom-pitiavako,
Notsindrominao tamin-teny maranitra;
Ka dia ranomaso no namonto ny tavako,
Nipitrapitra irery nibanjina ny lanitra.
E ry fitiavako...nilaozanao aho,
Maty noho ny hetraketrak'izy iny...
Saingy antenaiko fa ho tonga hirahoraho
ny valin'alahelo toy ny tody sy ny tsiny.
Mandidy anao ny foko ry avelom-pitia,
Mandehana ravao ireo fahavalonao;
Ilay nandrovirovy namaly anao tsia,
Izay fitia hatsangany avy dia azerao.
Aza ela ry avelo f'izaho sasa-miandry,
Tongava anio alina hanakona kintana;
Mendrika ny fitiavany izany hodimandry,
Ka esory aminy ny anjara sy ny vintana.
Ry avelon'ny fitia, midira ato anatiko,
Ahy foana ianao na lasan-ko razana;
Ampanirio ireo voa izay nafafiko,
Mba ho lonam-pitia ity foko ngazana.
Tsy kivy aloha aho fa kosa manantena,
Fa mbola ho avy ianao ry avelom-pitia;
Ho tonga hamonjy ity fo mangenahena,
Hampahazo ilay lafatra ao an-dranomaria.
Tsy izany mantsy fa ny eto an-tany,
Tsy lany manja fa mitosaka ireo tsara;
Tsy misy koa olona in-dray tia izany,
Ary izay nilaozan'afo tsy voatery hanara.
NY HERIMAR
22/07/2019.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana - Fisarahana
Mpakafy:
Herimar