You are here: home > Vetso

AZA ITOMANIANA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

Aza itomaniana.

Aza itomaniana aho
Rehefa tonga izay fotoana
tsy maintsy hodiako;
Raha mety dia lomaho
fa ho faty mora foana
ny alaheloko anao ry tiako.

Aza anenenana ireo lasa
tsy nampiray fo
Fa lahatrao ihany;
Ireo vinako kinasa
Avelao koa ho lo
F'aza arahina tomany.

NY H.30/01/20
00:00
MAROC

Hametraka hevitra

Midira aloha