MOA HAMPANINONA ? (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MOA HAMPANINONA?

Moa hampaninona
ny fotoana lany
Sy teny mankarary
Raha tarana-bilona?

Hampaninona moa
Ny miari-pijaliana
ho an'ny tena tiana
Raha tena tia tokoa?

Hampaninona tokoa
Ny manantena tsisy
Sy sendra ny "indrisy"
Raha baikoin'ny fo?

Tena tsy hampaninona
Raha tena tia tanteraka,
Tsy hahatsiaro reraka
Na voatsinontsinona.

Tsy hampaninona ihany
Ny hikatsaka ho azy
Manonofy mariazy
Na asetriny tomany.

Ny FO tia mantsy
Tsy voasakan'iza
na misy manaiva,
Tsy tia valifaty.

Tsy mba hiantso tody,
Ny tody efa misy
Ka dia mitampify
Toa olona azon'ody.

NY HERIMAR
26/10/2020
Maroc
--------
Rohy:
558 0
Hevitra mandeha
Herimar ( 26/10/2020 12:53)
Tarana-bilona= taranaka+vilona, ny vilona moa dia ahitra. Samy fantantsika fa ny ahitra dia hitsakitsahin'ny olona.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148