You are here: home > Vetso

KAMBOTY RENY... - NY HERIMAR

Azo vakiana?

KAMBOTY RENY

Tsy afa-mitaraina
Tsy manan-tsafidy;
Manomboka ny maraina
Migoka ny mangidy.

Tsy sahy miteny
Miahotra ny hamaly
Lavitr'ilay reny
Miaina anaty jaly.

Ilay Neny fahiny
Nialoha any an-koatra;
Ny fahoriany ankehitriny
Tsy rariny loatra.

Na reraka ny vatana
Ny sainy manery
Satria ilay mpitantana
Indrisy efa very.

Ilay solon-dreny nantenainy
Indrisy mpanaory
Tsisy zavatra hainy
Afa-tsy ny hanorisory.

Ry Tompon'ity tany:
Vonjeo izy reo;
Ovao tsiky ilay tomany
Izay niainany teo.

Ny HERIMAR
11/04/2019  02:04

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha