LALAINA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LALAINA

Raha azoko natao ny mamerina anio
Ny lasa fahiny, tsy nisy angamba izao
Fa fo mirantandrantana sy fitiavana madio
No hany ilomanosantsika, izaho sy ianao.

Ianao tsy ho tezitra, aho tsy halahelo izany
Ny androntsika roa hilamina tanteraka;
Tsy hisy amintsika ny tebiteby sy tomany
Ianao hankatia, aho tena tsy ho reraka

Manenina aho izao, manenina aho mafy
Anio nahazo lesona no sady tonga saina
Ka mamerina ireo voady fa tena tsy hampirafy,
Ianao no ho ahy irery, ianao ilay LALAINA.

Ka raha sitrakao, hadinoy ireo lasa
Raiso ity foko fa tena tia malala
Hiaraka isika hamelon'ireo kinasa
Eny ny fitiavako anao tsy hamanala.

Ianao mantsy ilay Faniry Lalaina
Ilay notiaviko hatrizay, eny ho doria
Voadiko tsy miova fa fetra ny aina
Hampakariko an-trano, hataoko sonia

NY HERIMAR
2023/04/20
--------
Rohy:
298 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154