You are here: home > Vetso

Moa ve misy? - NY HERIMAR

Azo vakiana?

Moa ve misy?

Moa ve misy marina tokoa fahasambarana
Miandry ireo lasa folaka an-datony?
Rahoviana no mba hitsahatra izato fiakarana
Izay mihaavo hatrany tsy fantatra antony?

Moa ve mba hisy Koa fahasambarana
Hitsena an'ireo vorona very mpiahy?
Asa aloha fa hatreto dia fahasasarana
no tsapa sy mijapy mandemy fanahy.

Moa ve mba hisy ihany fahasambarana
Hiainan'ity saiko diso fanantenana?
Ekeko ry Ray fa izao tsy fiangarana
Na rodana ny manda, na vaky ny tolàna.

Tsy fantatro mantsy izay fandaharanao
Fa tiako ho fantatra ny atao hoe fahasambarana...
Moa ve ry Tompo efa voasoratrao
Ireo zava-hiseho amin'ny tokonam-baravarana?

Asa,,, hanaiky ihany aho na misitery aza,
Hanaiky mora Koa izay lahatrao Avo;
Kanefa maninona moa raha mampilaza
Mba haha mailo anay ka tsy ho mora lavo?

Ny Herimar
19/05/2021
01:24'
Maroc