NIVOADY IANAO... (NY HERIMAR)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIVOADY IANAO...

Mbola tsy maty fa tsara kolokolo
Ilay voadinao nafafy tato anaty
Ianao ilay niteny fa tena tsy hanolo
Ary izaho ho anao mandrapahafaty.

Nivoady ianao fa n'inona hitranga
Ny fitiavanao tsy hanam-piovana;
Ianao moa no mpameno ny banga
Ka indro ny foko nitoetra sy tamana

Ilay hafantrao tao anaty taratasy
Mbola ato akia, vakiavakiako foana;
Eto am-pandriana no mangasihasy
Rehefa ireo voadinao no tsaroana.

Taloha mantsy isika niresaka foana
Izany taolahasa tsy natao sakana;
Nifankafoy harena, nifankafoy fotoana
Tsy nifamela mihitsy nivoy ny lakana.

Ny hiara-ko tafita no natao tarigetra
Ny olana rehetra hiarahana mamaha;
Hifankatia isika, ny aina no fetra,
Na hisy mpampiady, isika tsy hiraharaha.

Indrisy ry malala fa nofinofy sisa
Maharary ny fo nefa manaiky aho;
Ny saiko tsy vonon-kanadino ireo vita
Mbola tena tia, mifona, mitalaho.

NY HERIMAR
10/04/2023
00:29'
--------
Rohy:
407 0
Hevitra mandeha
hery ( 10/04/2023 08:14)
Inona no dikan'ilay kololo?
Herimar ( 10/04/2023 08:46)
Kolokolo ilay izy fa diso tsipelina. Mankasitraka e !
hery ( 10/04/2023 09:14)
Ary misy diso tsipelina vitsivitsy izany ao fa ahitsio ihany :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 10/04/2023 00:39
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181