NY MARIN'I GASIKARA (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MARIN'I GASIKARA

Vao rava ny fanjakan'Andriana,
Nanaraka azy ny lakan'ny marina;
Ny risoriso izao no ifalifaliana,
Ireo volavolan-dalàna tsy ampiharina.

Na olon-dehibe io na zazakely,
Na olontsotra na manam-pahefana;
Tsy sahy hamboraka azy velively
Satria eto izany dia rarana.

Ireo milaza ny hita sy re,
Atao fihaza lambo izay tsy izy;
Fa mba fantatrao moa ve,
Eny na gôna mbola ankizy...

Ny marin'i Gasikara ihany
no marina tena manonja
Satria izay sahy milaza izany,
Mandondòna ny lapan'ny fonja.

Ny marina eto Gasikara koa,
no marina mampikorontanam-bahoaka;
Na dia fantatra aza fa tena hahasoa,
Didiana izay tsy azo havoaka.

Fa ny zava-tsy hainao,
Io marina io dia voambara
Rehefa mety ny natao
Ary asehoseho mangarahara.

Dia dradradradraina eran-tany
Mba ho fampandriana betro;
Ny werawera tsy mba lany,
Izay ihany no mba eto.


Ny marin'i Gasikara,
Voaviraviran-dRagasy;
Ankehitriny lasa tantara,
Ankehitriny mihafihafy.

Ireo mpitsara niana-dalàna,
Jamban'ny vola sy fitiavan-tena;
Ny sazin'ny meloka hainy fafana,
E...izato fisainana mampahonena.

Ny kolikoly tsy lazaina intsony,
Areti-mandringana tsy azo sitranina;
Na ireo madinika na ireo ambony,
Vao mahita vola dia mody fanina.

Dia izay ilay marin'i Gasikara,
Marina miorina ambonin'ny vola;
Dia mbola izany hatrany ao afara
F'efa nankatoavin'ireo olon-tsola.

NY HERIMAR
17/04/20
00:45
--------
Rohy:
592 1
Mpakafy: nirinamercia
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151