You are here: home > Vetso

NY RAY AMANDRENY - NY HERIMAR

Azo vakiana?

NY RAY AMANDRENY

Tena hafa ihany
Ny velon-dray sy reny
Fa manana mpiteny
Raha mbola eto an-tany.

Mpamelona sy mpikolo,
Niahy hatraiza hatraiza
Nanabe sy nitaiza
Tao anatin'ny tontolo.

Fa tena hafa ihany
ny eo anilan'izy ireo,
Fa lavitra toreo,
Ny alahelo sy tomany.

Fa tena hafa tokoa
Izany olona niteraka,
Tsy mamela anao ho reraka
Fa manarina rehefa voa.

Koa hajao ary moa
Ireo ray amandreny
Raha mbola velona eny
Fa tsy manam-paharoa.

NY HERIMAR
16/08/2020
Fès

Hametraka hevitra

Midira aloha