RAHA MBOLA HIOVA IANAO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA HIOVA IANAO

Efa nomaniko ela loatra mantsy
Ny efitrano diamondra natokako anao
Tsy ho harafesi-mihitsy mandramaty
Na ho morana isan'andro, fa tsara kalitao.

Mety tsy nandrasanao ny zavatra nataoko
Ifonako re ry tiako fa 'Zaho tsy ninia
Ny afo sy ny vy ange tsy dia filalaoko
Fa manery ahy ny ato an-tratrako hania.

Raha mbola hiova ianao, eto foana anie aho
Vonona hitia, dia hiady koa ho anao
Mba mamela re, miangavy, mitalaho
Fa tsy fidiny ry tiako izao miseho izao.

Hiandry foana aho, Sao mba hohitanao
Ity foko patrapatra-miandry fitia
Hiandry foana aho, sao hiova ianao
Ka hiaraka isika, ho iray, ho doria.

NY HERIMAR
08/02/2023
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - fiainana - embona - Alahelo
346 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154