You are here: home > Vetso

RAHA POETA NY MPITONDRA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

RAHA POETA NY MPITONDRA...

Raha poeta ny mpitondra, nandroso i Gasikara,
Fa afaka ho fitaratra ho an'ireo zandry fara;
Raha poeta no nitondra, efa ela no tafita,
Efa ela i Gasikara no nandify ny any am-pita.

Raha poeta no nitondra, niova mamy ny mangidy,
Avadiny ho asa ireo nofiny ho tena izy;
Ny poeta mantsy misaina sy mandinika,
Tsy manambony tena fa miray amin'ny madinika.

Raha poeta no nitondra, efa tafa ankehitriny,
F'izy ireny mantsy no matahotra ny tsiny;
Raha poeta no mitondra, mivoatra isika
Satria izy ireny no tena be fikafika.

Raha poeta no hitondra, hiova loko Gasikara,
Ilay mara matromatroka ho lasa hazava tsara;
Raha poeta no hitondra, hitombo ny fanahy
Ka ho foana ny tebiteby, indrindra ny ahiahy.

NY H.15/08/2019

Hametraka hevitra

Midira aloha