You are here: home > Vetso

TETO AN-TANY - NY HERIMAR

Azo vakiana?

TETO AN-TANY

Nanorohako anao,
Nifanaovantsika voady;
Nifaniry tsy hifandao
Fa hiaraka hitady.

Teto isika:
Nifampizara tsiky,
Jery malefaka;
Sendra nifanandrify,
FO tafapetraka!

Teto mantsy...
Nahavelona indray
Fanantenana saika maty;
Fotoana nampiray,
Fitiavana tanaty.

Teto koa,
Niaraha-naminavina
Ny hoavintsika miaraka;
Namoahanao 'lay Dina
Fa isika tsy hisaraka.

Saingy indrisy...
Fa teto ihany koa
no fiandoham-pahoriako
Nahita anareo roa,
Nisongona ny diako.

Nanadino ny fahiny
Fa nahita efa tafa,
Satria 'zaho masikiny,
Tsy ola-na haratra.

Nefa teto kosa....
Nahatsiarovako ny lasa,
Tokitoky feno fitaka;
Saingy hahavita hamafa,
Hoy ny foko mibitaka!

        NY HERIMAR
21/08/2020
Fès.

Hametraka hevitra

Midira aloha