TOA ADALA IREO MAHERIFO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOA ADALA IREO MAHERIFO

Tena toa adala ianareo foloalindahy
raha niady mafy ho an'ity tanindrazana
satria ireo fahendrena, saina sy fanahy
dia efa lefy ka tsy hita no sady tsy tazana.

Ianareo maherifo nanao vy very ny aina
mba hanandratra avo ity firenena
sy hampijanona ireo toreo sy fo mitaraina
ka nijoro fa lehilahy tsy naneho halemena.

Saingy toa adala ianareo namoy aina
satria ny anton-tolona lasa very maina:
dia ny hialana amin'ny ziogan'ireo tandrefana;

Kanefa ny teninao aza efa hadinodinony
fa ny an'ireo hafa no nasiany filirony
ka ny teny malagasy tsy mba niherehana.

NY HERIMAR
25/06/2019
19:34
--------
Rohy:
377 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143