You are here: home > Vetso

TSIARO - NY HERIMAR

TSIARO

Sambatra iny masoandro fa mitety ny tontolo,
Isan'andro mamangy firenena samihafa;
Fa ny tenako kosa mahatsiaro ireo nikolo,
Lavitra azy ireo ka tsy afa-mifampitafa.

Izaho ilay mahatsiaro ny lasa fahiny,
Mitanondrika irery, misento ato an'efitro;
Na manembona ireo namana izaho ankehitriny,
Fa i Dada sy i Neny no tena tsy lefitro.

Ireo mpiray tampo moa tsy lazaina intsony
fa mitamberina ato an-doha isan'andro lava;
Ny alahelo azy ireo toa tsy mety mitony,
Nefa rahoviana izahay no mba hifanatri-tava?

Toa mitamberina foana ny feonao ry Neny,
Ilay miantso ny anarako malefadefaka;
Dia mitamberina koa ireny anatrao ireny,
Ary mankahery ahy lalandava mba hitraka.

Any ianao ry Dada, inoako fa miady mafy,
Mifoha mangiran-dratsy hitady izay hohanina;
Ianao ilay tsy baranahiny fa olona mihafy,
Tsaroako izany anio ka tonga ilay hanina.

Edrey izaho fahiny ilay eo amorom-pantana,
Miara-mahandro amin'ilay Neniko malala;
Dia eo  koa izy no mitantara mivantana
Ireny anganon'ny Ntaolo tsy dia maro mpahalala.

Rahoviana anefa ireny no mba hiverina indray,
Rahoviana izany rehetra no hiainako fanindroany?
Hatreto dia hanina sy embona tsy hay
no hirahirain'ny fo mikalo ary no mba tsaroany.

03/07/2019
NY HERIMAR

Hametraka hevitra

Midira aloha