You are here: home > Vetso

TSY HAIKO IZAHO NA TSY TIA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

TSY HAIKO IZAHO NA TSY TIA

Tsy dia fantatro firy ny aminy
kanefa notsaraiko ivelany fotsiny;
Tsy tsapako akory izay haniny
kanefa tsy nandramoko na dia potiny.

Nankahalain'olona teto aminay izy iny
ka lasa tsy tiako maizina;
Nohelohiko tao am-po kanefa tsy manan-tsiny,
Fanahy tsy mendri-paizina.

Tsy mba nanam-pianteherana mantsy izy iny
fa natositosiky ny fiarahamonina;
Tsy afaka niaina izay tena faniriany
fa zana-mahantra ratsy tsikonina.

Niladilady fatratra izy mba ho sakaiza
saingy tsy nojereko fa novaliako avona;
Nikaroka ahy sy nitady hatraiza hatraiza
kanefa naleoko niafina, naleoko nanjavona.

Ny fanarabiana nataon'ny namako azy,
Nahasarika ahy hankahala ihany koa;
Indrisy ity zaza tsy fony zatra ady,
Nanaovako sangy mihoatra ny loha.

Tsy haiko na ho neniko, tsy haiko na ho tsiny
ny nanakotabasiko an'ity voron-te honina;
Tsy tsapako fotsiny ny fitia sy ny fisiany,
Antony: ireo namako raha tsy kobonina.

Fa tena avy ao am-po ve ny tsy fitiavako azy?
Sa izy no tsy tiako dia noho ireo namako?
Izy iny mantsy ilay niezaka niangavy
Fa tsy natomboka akory dia nofaranako

NY HERIMAR
18/12/2019
10:34’

Sokajy : Ahiahy, Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha