TSY MAINTSY MANAIKY - NY HERIMAR
Azo vakiana?
Tsy maintsy manaiky
Izany no sisa azo vetevetesina
Tsy maintsy manaiky
Na ny fo aza mbola harafesina.
Tsy maintsy manaiky
Fa izany, hono, no lahatry ny Avo
Tsy maintsy manaiky
Na mbola tsy niarina aza no lavo.
Tsy maintsy manaiky
Fa tsy misy inona afaka atao
Tsy maintsy manaiky
Na mangirifiry aza ny ao anaty ao.
Tsy maintsy manaiky
Na faly ireo hafa sy ireo mpankahala,
Tsy maintsy manaiky
Fa tampoka mantsy ka tsy afa-miala.
Tsy maintsy manaiky
Fa ny mandroso ihany no maro mpanenjika,
Tsy maintsy manaiky
Fa fomban'ny ady no misy rendrika.
Kanefa,...tsy maintsy manaiky
Fa ny tondra-drano manana ny fetrany
Eny, tsy maintsy manaiky
Fa ny mpanao ratsy mbola hanefa ny hetrany.
Ny HERIMAR
21/05/2021
21:16'
Mombamomba
Mpanoratra : NY HERIMAR

Nampiditra : Herimar
Daty : 21/05/2021
Mpamangy : 450
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
HO AN'I DOXTARATASY HO AN-JANAKO
RY ZANAKO VAVY
MISY FARANY
ANA-JOKY
Mpianaka MATIM-BONINAHITRA
TE HO POETA AHO
TSIKY SY TOMANY
Ho AN'I DADA MALALAKO
Moa ve misy?