You are here: home > Vetso

VAVAKY NY ADOLASENTO - NY HERIMAR

Azo vakiana?

VAVAKY NY ADOLASENTO

Ry Tompo Mpahary ao ambony,
Mitalaho fa osa e ity zanakao;
Mba omeo ahy ny fo mora tony
Hamafako moramora izao ratrako izao.

Omeo fo vy malaky afa-pery
Hoenti-miatrika ady vaovao,
Homora ihany koa hanadino ny very
Sy ireo vinavina izay saika hatao.

Kanefa kosa Raiko mba aoka ihany
Hitoetra ato anatiko ny fo be fitia;
Fo mahay mamela hatrany hatrany,
Nefa kosa ho sahy manao tsia.

Omeo koa fo mahay mamafa,
Omeo koa fo mora manorina;
Ka ireo tantaran'ny lasa,
Holevoniny tsy hangonina.

Izany no hatako amiNao
Ka mba raiso raha mba mety;
Kanefa aoka izay sitrakao
no hanjaka eto an-tanety.

NY HERIMAR 01/04/2020
03:27'
Maroc

Sokajy : Alahelo, fiainana, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha