You are here: home > Vetso

VAVONY FAHAROA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

VAVONY FAHAROA

Hoy Rabearivelo "ny foko fasana faharoa",
Saingy io amiko dia vavony ihany koa;
Io ilay vavony mahagagagaga ihany,
Mpandevona ny tsara sy ny ratsy eto an-tany.

Laharana faharoa amin'ilay tena vavony,
Tsy mamela fa mamoaka ny takona navony;
Izy no andry iankinan'ny fiainan-janak'olona,
Manan-kery lehibe hampahomby ny tolona.

Izy ity anefa hafa fomba fanao
Mandevona mora ny tsara izay natao;
Ny ratsy niantefany tsy hohadinony tokoa,
Mivangongona ho avelo ka zary lolompo.

Ny fo no tanimboly itsirian'ny fitiavana
ifampizarana amin'ny namana sy havana;
Izy ihany koa no fontotry ny fankahalana,

Olona maro nampitondrainy faisana,
Ny alahelo sy tomany inoako fa niraisana;
Tsy nandao ny fiainantsika hatramin'ny fahazazana.

NY H.
28/07/2019

Hametraka hevitra

Midira aloha