... ILAY TENA TIA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
... ILAY TENA TIA

Naratra ianao naratra
voadona ka voadona
voalatsa dia voalatsa,
tamin'ny teny tsy tsaroana

Niaretanao ny mafy
niaratenao ny ngidy
nefa ilay fitiavany
niantefa tamin-drafy?
ianao tsy nanana safidy
ka natahotra ny vavany

ireo hetraka fitia
izay nolalovanao
ianao ilay tena tia
no toa zary kilalao!

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
11-03-2019
--------
Rohy:
1124 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015