ALAHELO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
alahelo! izany no mba nameno ny lasako
alahelo! izany no mibahana ato an-tsaiko
alahelo! izany no hita soritra amin'ny tavako
alahelo! izany no mahakely izato aiko

Alahelo izao no mameno ny fiainako
raha iny ianao no lasana nandao
ka andao tsy ahalala intsony ny fisiako
fa lasa lavitra nanorina fiainam-baovao

ny alahelo anao no sisa
no masaka ato an-tsaina
ka injao ireo visavisa
ho kinasa toa zary nampalaina

alahelo mandroka tomany
no mampisento izato foko
ka tonga aizina ho an’ny tany
sy mampanjombona ho toloko

Nosoratan’i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
Copyright juin 2017
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo
1343 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161