You are here: home > Vetso

AZA ATAO HO VOADY - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

AZA ATAO HO VOADY

rehefa mba mitia ianao
dia mitiava fotsiny ihany
f'aza mba mivoady
amin'ny resaka fitiavana
fa tsy ho zakanao
ny hisedra irery izany
indrindra fa ny ady
miharo setrina fandavana

mitiava,
mitiava fotsiny ihany
f'aza mampantena
izay tsy ho tanteraka
ka hanamaloka ny tava
mora kotran'ny tomany
fa matoa ianao nekena
dia vonona hiaraka :
hiaraka hifanohana,
hiraka hifanampy,
hiaraka hifanaja,
fa tsy hilalao fitia
ka dieny eo am-panombohana
dia koloy an-tambitamby
ireny vony fanja
mba haharitra ho doria

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
taona 2019-01-08

Hametraka hevitra

Midira aloha