AZON'ODY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
isika malagasy
toa fatra-paniriana
te higoka fifaliana
te ho lavi-pahoriana
te ho lavitra hakiviana
ka miandrandra fatratra
fiainana ho lafatra
dia mikatraka fahasambarana
miandry valin-kasasarana
amin’izay kisendrasendra
kanefa tia rendrarendra


dia mandiniha ianao
ary saino fa misy todin'
ny zavatra natao
ary isika efa azon'odin'
ny fomban-dreo vahiny
ka jamban'ny vola sy harena
dia isika eto no mifanome tsiny
f'efa lafo ankolaka izao ny firenena

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
17/01/2018
--------
Rohy:
1007 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011