You are here: home > Vetso

embona 2 - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

embona!

ny embonembon'olon-tiana
eny an-tratran'olon-tiany
no mahatorotoro fo,
ianao miombon-kafaliana
amin'iny rafiko iny
no tsy zakan'ny ati-doha

ny alin'ny aizim-pito
no andrandrain'ny maraina
hivimbina hazavàna,
ny ahy, efa zary fijaliako
ny miandrandra sombiniaina
anaty fahadalàna


nosoratan'ny R-R Mahavonjy Aimé
01-08-2019 Tanjombato










Hametraka hevitra

Midira aloha