embona sy tsiaro! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
endrey! taona maro lasa izay
noho tsy nahateo anao ry dada!
taona maro lasa izay tsy niantsoanay,
tamin'ny feo mibadabada.

17 taona tokoa izay no nisarahantsika
ka nahatsiaro fahanginana
nahatsiaro nangatsika
tsy niaina am-pilaminana

i Neny irery no hany nantenaina
izy irery ihany no hany fara hery
fa ny havana izay hany nandrandraina
no tonga mpankahala toa mistery

toa tsy nisy akory mba nijery
ireto zanakao kamboty?
f'efa toy ny zaza very,
toy ny mpamboly tsy afa-nioty.

niezaka hatrany anefa i neny
ka tsy nitsahatra nikely aina
tsy sasatra niteny
hoe mbola hisy ny maraina

dia ny sarinao ry dada!
no mba hany sisa fahatsiarovana
fa ilay vatanao dia efa potika sy rava
tamin'ity tany fandalovana

ankehitriny dia mivavaka ho anao
mba tsy ho voagejen'aratsiana
fa mba ho tonga olon-tsambatra

ary hahita fiainam-baovao
ilay fiainana tsy misy fangirifiriana
dia ny mandrakizay, izany anie no santatra.

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé) copyright 03/2017
--------
Rohy:
857 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012