You are here: home > Vetso

MBOLA MANINA! - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

MBOLA MANINA!

Fa toy ny vao omaly
ianao no teo an-tanako
fa toy ny vao omaly
ianao no teo an-tratrako

Sisa,
ny fara-vodilanitra
tomara-bolamenan'
ny masoandro tankariva
no sakaizan'ity maso

ny vina sy ny visa
ny sento sy toloko
ny saiko mitanisa
ny alahelon'ity foko

Fa,
mahamanina ahy
itsy moron-drano
nampitambatra ny fo
sy nampiray antsika

dia velombelon-tsento
manina olon-tiana
mikalo sy mivetso
tsy manampitoniana

indrisy,
ny foko ankehitriny
manina mahatsiaro
manembona ny tiana
ka malomalok'ila


nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
27-09-2019 Tanjombato

Hametraka hevitra

Midira aloha