You are here: home > Vetso

IANAO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

IANAO!
ianao ilay lavitry ny maso
nefa akaiky ny fo
mbola antsoina hoe:
"silam-panahy"

ianao ilay lavitry ny fo
nefa tsy lavitry ny maso
fa andrandrain'ny hoavy  
ilay antsoina hoe: "faniriana"

ianao ilay mitoetra anaty nofy
manan'endrika ankamantatra
ilay mitoetra hanabakabaka
mbola antsoina hoe: "fanantenana"

ianao ilay toy ny voninkazo
mpitoetra anaty vazy
ilay mandravaka efi-trano
mety ho antsoina hoe: "ravaky ny fo"

nosoratan'i R'AIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
janoary 2021

Hametraka hevitra

Midira aloha