You are here: home > Vetso

IANAO ILAY POETA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

IANAO ILAY POETA

ianao ilay poeta
zatra soratsoratra
ianao ilay poeta
tia manoratsoratra
ny ainga ho tonga kanto
ka mananatra tsy miato

ianao ilay poeta
zatra famoronana
ianao ilay poeta
manam-pahavononana
hanandratra ny teny
hitaiza ho solon-dreny

ianao ilay poeta
miaina am-pahatsorana
ianao ilay poeta
tsy zatra fahasosorana
f'ilay sariaka lalandava
sy miramiaran-tava

ianao ilay poeta
tia mitety ny habakabaka
ianao ilay poeta
tsy zatra mihatakataka
fa tia mizara kalo
amin'ny antsa tononkalo

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé
14-02-2019

Hametraka hevitra

Midira aloha