You are here: home > Vetso

IANAO NO TSANGAM-BATOKO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

IANAO NO TSANGAM-BATOKO

tsela-jery kely monja
natorakao ny masoko,
no zary nampan'onja
ilay fitia anatiko ato

ny filantonao mamindra
malefadefaka fitsaika
toy ny kalo tsara rindra
migadogadona fipaika

ilay feonao malefaka
mingonona eo an-tsofiko
toy ireny kotro-baratra
mampidoboka ny foko

ny mombamombanao rehetra
no mba hantahanta an'ity foko
ny mombamombanao rehetra
no tsangam-bato iray tsy foiko

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
16-10-20

Hametraka hevitra

Midira aloha