You are here: home > Vetso

INY OLON-TIANAO INY - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

INY OLON-TIANAO INY

iny olon-tianao iny
aza omena tsiny
raha toa ka sarotony
mantsy izy efa tompon'ny
fonao manontolo
ka tsy tiany ho vorondolo
no handrombaka ny tiany
ka aza omena tsiny

iny olon-tianao iny
raha toa ka virjiny
dia hajao ny fahadiovany
fotsiny, mandrapaha-tongany
eny ambony alitara
ka mila hajaina tsara
ny safidy tena tiany
ka aza omena tsiny

iny olon-tianao iny
ny hany faniriany
dia omenao fahafahana
hiaina ankalalahana
amin'ny fiainany manokana
ka aza asiana sakana
ny amin'izay rehetra tiany
miangavy! aoka tsy ho tsiny


Raims Randriamalala
10-02-2022

Sokajy : Fitiavana