You are here: home > Vetso

ISAKY NY MISY - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

ISAKY NY MISY


isaky ny misy
tsiaro kely monja
mitsimoka ato an-tsaiko
dia ny endrikao mitsiky
ny bikanao mafonja
no tena tantaraiko
inay aho ka manoratra

isaky ny reko
ireo kalon'ny fahiny,
niarahantsika nihira
dia velombelon-tsento
toa lasa zary tsiny
ny akon'ny antsiva
ka zary mampatahotra

isaky ny misy
kalo tsara rindra
narafitro ho an-dalana
dia matetika mihitsy
ny rima mifandrindra
no voasingotry ny tanana
hanehoana ny ato am-po

isaky ny manina ny tiako aho
dia manjombon-tankariva
ny am-paran-danitra iny
ny aizin-draho-mitatao
no mba vazo tankariva
ho solon-kiran'ny fahiny
ka mahontsa izany fo

Nosoratan'i Raims Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 28-08-2019

Sokajy : Aingam-panahy, embona

Hametraka hevitra

Midira aloha