You are here: home > Vetso

LASA! - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

LASA!

lasa izy,
ireo tsikiny sisa navelany teto
ny sariny sisa jeren'ny maso
ny alahelo ny fo mapirongatra sento
indrisy ry nofo fa mahery ny ankaso

ireo kalo sy hira no indro nimaona
ilay feo-manga toa zary nangina
tsaroana ho mangidy ity andro misaona
folaka andry ireo fianakaviana

ireo fahatsiarovana sisa mitoetra
fa ny adiny vita sy tapitra hatreo
anatra, tsiky, fampianarana etsetra
navelany ho lovain'ireo zanany ireo

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
08-08-20

Hametraka hevitra

Midira aloha