LASA IZY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA IZY!

lasa izy,
nandao ny akany niarahana nitoetra
namonjy ny habaka tsy fanta-pisiana
ireo alahelo tsy zaka navelany teto
moa ny fahabangana mba nosaininy akory?
tsy fidiny ho azy ny handao ny fisiana
ny anjara sy lahatra no tia herisetra
fandalovana mantsy ny tany niaviana
ka samy mba miandry ny anjara tandrify

ry foko,
hanantena rano-manga tsy hiraraka va?
sa hiandry mpandalo tsy havimbina hery?
io ny aizim-pito manaloka anao
lalovy mangina dia vakivakio
ireo fahatsiarovana navelan'ny teto
aleveno ao am-po f'aza fohazina akory
ireo tsiky mandainga amin'ny endriny kanto
efa raraka an-tany ka tsy hiverin'intsony

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
11-05-2020
--------
Rohy:
562 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128