MALOKA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Azo vakiana?
MALOKA!
maloka!
ireo aloka miserana
mana-mainty ny tontolo
toa mampitondra ny alahelo
hitety ny haba-manga
injany,
misaona ny natiora
maizina ny tany!
fa teto,
nisy vatana malia
natopatopan'onja
angamba!
very tany ho any
kanefa tany ho any,
efa nisy sasa-niandry
izay mba mety ho fiverenany
saingy,
indrisy, fo efa tapitr'aina
no hany sisa an-tanana
ny fahoriana,
mampitafy loko mainty
ireo vonton'alahelo,
mantsy! raha mahatsiaro
ireo lasa mampisento,
toa mampirotsa-dranomaso
ranomaso, ranomaso!
toa hamonto indray ny tany
ny tany, ny tany!
ny tany anefa toa efa karakaina
nilaozan-dranon'ando
RAIM'S RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
22 - 12 -2021
Sokajy :
Aingam-panahy, Alahelo
Mombamomba
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Nampiditra : raims randriamalala
Daty : 23/12/2021
Mpamangy : 150
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
INAY AHOSARY INDRAY MISERANA
SATRINAY IANAO
NY SARINAO
TIAKO HOHADINOINA
NY TSY ANILANAO!
FITIA VARY IRAY VENTY
O RY FIRENEKO
BAO-DIA
INY OLON-TIANAO INY