You are here: home > Vetso

MANEMBONA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

MANEMBONA!

Ny eto,
efa zary fahazarana
ny miaina tsy fisiana

ny any!
hampoka hasambarana
sy miaina am-pifaliana

misento,
raha lavom-pahatsiarovana
ny fo amam-panahy

mitomany,
ny endrika torovan'
ireo embona sy tsiahy

Diam-penin'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
05-07-20, Tajombato

Hametraka hevitra

Midira aloha