TSIARO ANAO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIARO ANAO

omaly tankariva
sembantsemban-drahona
no indro tovovavy
namikiviky an-tongotra
nianjonanjona famindra
ontsaontsan'alahelo
kotsakotsan-dranomaso
ka zary malok'endrika
angamba ny aty fony
feno ratran'olon-tiana
feno fatrana-hakiviana
ka niako tao an-tsainy
ny feon'ilay famoizam-po
mantsy mafaitra sy mangidy
ny dona ny fitia
ka zary tonga hira
milaotra avy am-po
ny aretin'ny fitiavana

ireo akom-pahatsiarovana
ireo tosy nitambarana
ireo tsiky niombonana
ny fo nihanoka hasambarana
ireo rehetra ireo
efa voatahiry tan-diary
ka sarotra hadinoina
tsy laitra nofafàna
mantsy tsy nasiam-panenenana
fa ny masaka ao an-tsaina
ny hamono ny eritreritra
anaty ny aizim-pito
saingy,
iky eny teo amoron-tevan'
ilay famoizam-po
no sendra mba nanopy maso
hibanjina hijery
ny am-paran-danitr'iny
ka nahatazan-olon-droa
mikisarisarin-drahona
ary fo mitambatra ho iray
ka nitamberina tao an-tsainy
ireo dina ny fitia

kanefa,

hody,
hivimbina alahelo
hiverina,
hilanja maso bongo
hijanona,
sakaizan-tsento irery
handohalika,
toa hizioga ranomaso
indrisy!
mafaitra sy mangidy
ity dona ny fitia
ka zary tonga kalo
milaotra avy ao am-po
ny aretin'ny fitia
--------
Rohy:
684 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011